Tara avion – Berikely

Tara avion

Tamin’ny taon-dasaña iñy e 
Niaraka izaho sy namako ijiaby e
Raha vao niala tanàña, tonga tamin’ny garan-dropilany: 
Tara hely , voatery tafajanoño
 
Tara , voatery tafajanoño 
 
Tsy nañino , malahelo be loatra
Marary , malahelo be loatra
 
 
Anareo lasaña Iñy e
Tongàva soa aman-tsara amin’ny tany iomboaña añy
F’izaho tavëla atôy e, tsy afaka mirangatra mañaraka arô
Ô, Soavadia e, Soavadia a
 
Tara , voatery tafajanoño 
 
Tsy nañino ,malahelo be loatra
Zaho marary, malahelo be loatra
 
Tara avion, malahelo be loatra, tsy lasaña
O o, Malahelo be loatra 
an-traño koa mihevitry! 
 
Anteña miala traño ny menimeny ijiaby ëfa lasaña añy amin’ny tany iomboaña añy.
Kanëfa tonga eto dia setrok’afo monja no sisa navela-dreo namako 
Ka tsaratsara f’izaho mbola avy afara e
 
Tara, voatery tafajanoño
Tara, malahelo be loatra.
 
A/C: Berikely (Beriziky Damien)
 

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *